Ho an'ny diôsezin'Antananarivo, ny fankalazana an'izany dia nanomboka ny sabotsy 27 martsa. Nisy ny hetsika maro notanterahina. Ny alahady maraina kosa, talohan'ny hanombohan'ny Sorona Masina, dia nanome ny fampianarana izay nifantoka indrindra tamin'io lohahevitra io ny Eveka. Nantitrateriny tamin'izany fa eo am-pelantanan'ny tanora ny ho avin'ny fiangonana sy ny firenena. Mila miezaka, noho izany, hitombo eo amin'ny fiainana ny finoana.
Indro atolotra antsika tanora ny apahany amin'izany hafatry ny Papa ray masina izany: " Mila anareo izahay! Ireo ao anatin'ny hatanorana ankehitriny dia tsy maintsy misedra olana maro avy amin'ny tsy fananana asa, tsy fisian'ny ohatra sy ny tanjom-piainana azo antoka, fa indrindra ny lalan-kizorana mazava ho an'ny ho avy. (...) Na dia eo aza anefa izany dia aza mety ho kivy, aza lavina ireo nofinofinareo. Ampiroboroboy ao am-ponareo ny firahalahiana, ny fahamarinana sy ny fiadanana. Eo an-tananareo ny ho avy. (...) Mikeleza aina ianareo hanorina ny ho avinareo."
Eo am-pelantanantsika tanora tokoa ny ho avy. Ho anay ato anatin'ny ekipan'ny rakitsarobidy dia mirary fahombiazana ho anareo eo am-panarahana an'i Kristy izay toky ho an'ny ho avy.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire