09/08/2009

Fanontanian'i Fitia

Hoy Fitia nametraka hevitra:
Mahafinaritra ny mamaky ny andram-piainana nataon'ireo tanora. Mba tokony nolazaina hoe inona moa izany hoe mampiavaka ity fikambanana ity amin'ny fiainam-bavaka? Tanora toa inona no afaka manao ity andram-piainana ity? Matoa izany ireo tanora ireo nandany volana maromaro tao dia ao raha! Toa tsy mba manao fanasana ny tanora hafa izy ireo mba hanao izany andram-piainana izany sa ho azy ireo ihany ny zavatra soa toy izao? (cf. commentaire 21/07/09: "stage")
Hoy kosa izahay:
- Misaotra an'i Fitia nametraka hevitra. Ny mampiavaka an'ity fikambanana ity amin'ny fiainam-bavaka dia ny fiezahana manatratra ilay tenin'ny Md Paoly hoe "tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko" Gal 2, 20. Izany hoe ny an'i Md Paoly ny fiainany manontolo dia fifandraisana lalina tamin'i Jesoa: ny fomba fieritreretany, ny asa nataony, ny sitrapony,... nampifanarahiny tamin'ny an'i Jesoa avokoa. Izay fomba fifandraisan'i Md Paoly tamin'i Jesoa izay no noraisin'ny mpanorina ho fiainam-panahin'ny fikambanana. Amin'ny alalan'ny vavaka no ahatongavana amin'izay firaisan'aina tanteraka amin'i Kristy izay ka banjininay manokana i Jesoa Mpampianatra: Lalana sy Fahamarinana ary Fiainainana manaraka ny ohatra navelan'i Md Paoly, eo ambany fiarovan'i Masina Maria Mpanjakavavin' ny Apôstôly.
- Ny fanontaniana sisa dia efa voavaly ( cf. commentaire 21/07/09: "stage")


01/08/2009

Mahafinaritra ny fiainana

Famintinana ny fiainan’ny « stagiaire » nandritry ny taona 2008 - 2009

Androany no fotoana nofidianay
Hanoloranay hira iray
Izy ity dia natao mba hilazanay
Ny fiainanay hatrizay stage izay
Koa miangavy anareo hihaino ny tonon-kira
Amin’izay dia mba misy souvenir
Ahatsiarovanareo ny staginay teto
Feno kalokalo sy hirahira

Raha niala tany an-trano moa izahay hanao stage
Dia tsy nihevitra hanao vazivazy
Saingy ny ela hono letsy maharay roa
Ka lasa nifankahazo am-po
Indreo ny Masera, aspirantes, stagiaires
Fa tena nifanerasera
Ka faly aok’izany izahay stagiaires
Fa poince ry ireto ‘ty ny afera

Fiv :Dia ny hirahiranay hiraina
Raha mahatsiarotsiaro nareo
Ny soa niarahana tadidio
Fa i Jesoa no nahatonga an’io

Raha ny fiainanay teto aloha dia tena nilay
Ka indro fa ho tsiahivinay
Ny fianarana, ny vavaka, ny asa, ny kilalao
Dia tena tsy naha te handao
Hitanay taiza moa izay méditation
Indrindra fa ny adoration
Nanampy izany ny récollection
Ary dia teo koa ny confession

Raha ny apostolà indray no holazainay
Dia maro ny zavatra hainay
Ka ampahany ihany no hambaranay
Izay tena nahazatra anay
Pliage, assemblage sy ny agrafage
Ireny no nampitana ny message
Rehefa vita dia nalefa any amin’ny librairie
Ka hita fa be mpankafy

Raha ny fiaraha-miaina no andeha hotantaraina
Tsy dia maro ny ratsy holazaina
Ka ampahany amin’izany izay tena nilay
Dia teo ny fitaomana kitay
Teo ny portière sy ny nettoyage
Hatramin’izao tsy hay izay namaky vazy
Vao novidiana koa ny débouchage
Avy hatrany dia tapaka ho azy

Maro ny zavatra izay simbanay
Ka indro fa ifonanay
Nisy ny nisantatra ny famakiam-bilia
Vao nanomboka ity stage ity
Ary koa ny baolina sy boaty tsakay
Izay potika tsy nisy voaray
Koa mangataka ny famelanareo
Dia ho faly zahay rehefa mody avy eo

Raha ny fahaizanay vollet no hojerena
Dia hita fa tena nahasorena
Niezaka hatrany ihany izahay
Ka indro fa nandroso nihanahay
Ka ankehitriny izahay dia handeha hody
Satria ny service efa tody
Koa isaoranay anareo tsy an-kanavaka
Sady mbola hoentinay am-bavaka

Ny fiaranana mivoaka aloha tena nilamina
Ka tena tsy misy kianina
Ny fandehanan-tongotra dia tena nahazatra
Ny fotoana izay henjana dia tratra
Maro ireo toerana manan-tantara sy malaza
Mahamasina, 13 May, Tsimbazaza
Ka maromaroa ihany ny tahak’izany
Fa ataontsika milay be hatrany

Raha asiana resaka kely koa ny amin’ny fianarana
Ny anglais, français tsy nanavanana
Ankehitriny anefa dia milaza izahay
Fa mba nisy koa ny fivoarana
Nahafantarana pays maro teto Afrika
Toan’i Rwanda, Libye, Congo
Ilay taranja iray izay ankafizinay
Dia tsy iza fa ny Histo-Geo

Tsy ambakan’izany koa ny fianarana baiboly
Ary amin’ny vie communautaire
Mamporisika anay mba hanana herim-po
Mba tsy ho voadona dia mianjera
Tsy ho hadinonay koa ny katesizin’ny Fiangonana
Ny famintinana azy aloha tsy nisy olana
Teo koa ny fandinihina ny filamatra valo
Paoly izay nitondra fampianarana maro

Nahasoa ihany koa ny fanaovana session
Nanampy anay amin’ny formation
Nampitombo aim-panahy koa ny récollection
Satria ilaina ny concentration
Zava-dehibe teo amin’ny fiainana
Ny fanaovana ny partage
Matotra ny resaka izay hifanaovana
Ka tsy mila manao vazivazy

Nanamarika ihany koa ny fiarahana miavaka
Ny misakafo eo ambony latabatra
Maneho avy hatrany ny tena fiombonana
Hany zahay ka tena mazoto homana
Mifankahita eo isika mianakavy
Na maraina izany na atoandro
Hany ka niodina in-telo monja fotsiny
Dia ritra ilay sakay feno voanjo

Eto am-pamaranana dia faly izahay
Hamarana ity tafanay
Izay no vitanay ka isaoranay anareo
Nihaino anay nanandram-peo
Voninahitra sy dera kosa ho an’Andriamanitra
Mba hitohy hatrany ny hasaramanitra
Ka andeha hody izahay hisaintsaina
Raha hiverina dia tsy halaindaina

Indro hisampana ary ny dianay
Ka veloma no apetrakay
Handeha hody izahay ho any amin’ny fianankaviana
Sy hihaona amin’ireo havatiana
Arivonimamo, Antsirabe, Tanetibe, Imito
Ny deparanay aloha dia amin’ny fito
Analalava, Fandriana sy Andravoahangy
Veloma dia samy mampamangy

Ny teninay farany dia ny hoe : « tongava isika tovovavy hanao izany andram-piainana izany. Ireo efa nambaranay anareo ireo ny akony avy aty aminay. »

STAGIAIRES: Arisoa, Nasah, Haingo, Voahirana, Olivà, Julie, Ranto, Vololona