25/01/2010

Ny masera Filles de St-Paul


Ny masera Filles de St-Paul dia fanaka voafidin' izy Tompo, tahaka an'i Md Paoly, hitondra Azy eo amin'ny tontolo ankehitriny amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisana manaraka ny toetr'andro, manana fo mirehi-pitiavana an'Andriamanitra sy ny olona rehetra

Ny masera Filles de St-Paul dia miaina ny fiainany manontolo ao amin'Andriamanitra tahaka an'i Md Paoly, ary mampamiratra izany eo amin'ny manodidina azy.

Izao tontolo izao no fetra itondran' ny masera Filles de St-Paul ny Teny Fahamarinana.

17/01/2010

Fanaka voafidy ho ahy io lehilahy io

Ny 25 Janoary ny fiangonana dia mankalaza ny fibebahan'ny Md Paoly. Izahay masera Filles de St-Paul dia manana fifandraisana lalina amin'ny Md Paoly. Izy no mpiaro ny fikambanana, fakan-tahaka eo amin'ny fanarahan-dia an'i Krsity ary manoro hevitra amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Noho izany, miaraka amin'ny fiangonana manontaolo, izahay mankalaza io fety io. Ao anatin'io fibebahany io ny fiangonana no mankalaza be be kokoa ny fihaonan'i Paoly tamin'ny Kristy izay nanova tanteraka ny tontolony. Teo aloha dia izy no nataony ivon'ny fiainany. Izany hoe ny sitrapon'ny tenany no nomeny lanja be be kokoa: "Tamin'izay i Saoly dia tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatr'i Kristy ka nangataka taratasy tamin'ny lehiben'ny mpisorona izy ho an'ny sinagôgan' i Damasy mba hahafahany hitondra am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka an'i Kristy." Taorian'ny fihaonany tamin'i Kristy kosa dia nafoiny ny sitrapon'ny tenany fa ny an'i Kristy no nataony ivon'ny fiainany. Ny fametrahana an'i Kristy haka toerana tanteraka eo amin'ny fiainantsika no fibebahana andrasana amintsika kristianina izay akantsika tahaka an'i Md Paoly. Mpanenjika ny kristianina i Md Paoly teo aloha. Ankehitriny kosa dia lasa fanaka voafidin'i Kristy hampahafantatra azy eran'izao tontolo izao.