11/12/2010

Akon'ny andram-piainan'ny Postulantes

Faly tafaray ato amin'ity blog ity isika. Mahafaly anay Postulantes (Marie Clarisse sy Hoby) ny mizara amintsika ny andram-piainana nataonay: niara-niaina akaiky tamin'ireo masera. Nandritra ny roa volana no nanantanterahanay an'izany teto amin'ny librairie Md Poaly teto Analakely. Ny Postulat dia dingam-piofanana iray tsy maintsy lalovana raha te hanao masera Filles de St-Paul. Ka toy izao ny niainanay mirahavavy azy:

Hoby:Nisy akony teo amin'ny fiainam-panahiko ny andram-piainana nataoko tato amin'ny librairie, satria nitarika ahy hitondra am-bavaka mandrakariva ireo olona rehetra izay mihaona amiko. Tsapako fa ireny olona ireny no endrik'i Kristy ka noezahiko arak'izay mety ny nandray tsara an'izy ireny teny sy ny fanampiana ary ny fanomezana fanazavana ho an'izay mila izany. Koa resy lahatra tanteraka aho fa ny andrana nataoko tato amin'ny librairie no amaliako sahady ny antson'i Kristy ho ahy ho ato amin'ny fikambanan-dry masera Filles de St-Paul.

Marie Clarisse:Isaorako betsaka ny fikambanana nanome ahy ity fotoana nanaovako ny andram-piainana amin'ny asa sahanin'izy ireo ity, fa idrindra ny niaraha-niaina akaiky tamin'ireo masera. Anisan'ny zavatra nanaitra ahy, nandritra ny fotoana niasako tao amin'ny librairie ny fahatsapako fa maro ny olona no te hanandratra ny hasin'ny maha olona azy. Azoko notarafina tamin'ny alalan'ny karazam-panontaniana napetrak'izyireo izany. Anisan'ny tsapako ihany koa ny maha fianakaviana iray an'ireto masera ireto izay taratra amin'ny alalan'ny fiombonan'izy ireo.



Manentana antsika tanora izahay mirahavavy mba hanao izany andram-piainana izany aty amin'ny masera Filles de St-Paul





28/11/2010

Aza revon' ny ambany maso fa aoka ho avo fijery

Faly miarahaba antsika rehetra Tratr'izao taona vaovao, vanim-potoana iray lehibe eo amin'ny fiangonana izao
http://sandyfsp.blogspot.com/

21/11/2010

I Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao

Io no fety lehibe ankalazain'ny Fiangonana amin'ny famaranana ny taona litorjika. Mpanjaka i Kristy, nandresy ny fahafatesana Izy, dia ilay fahafatesana mangeja izao tontolo izao. Miditra manjaka ao anatin'ny fiainantsika Izy mba hanafaka antsika amin'ny fanadevozan'ny karazam-pahafatesana ka hitarika antsika ho any amin'Andriamanitra Ray. Moa ve i Kristy no avelantsika hanjaka eo amin'ny fiainantsika sa zavatra hafa?

04/11/2010

Raha tianao!

Nivoaka indray ilay Gazety: "Raha tianao", laharana faha 66. Gazety entintsika tanora tovovavy mifandray amin'ny masera Filles de St-Paul, ifankalalana be be kokoa. Zavatra maro no hitantsika ao. Anisan'izany ny vaovaom-pikambanana niseho tato anatin'ny volana vitsivitsy, ny akon'ny camps vocationnel natao tamin'ny volana Aogositra, ny soa toavina toy ny firaisan-kina,... Santionan'ny voasoratra eo amin'ny pejin'ny soa toavina ny hoe: "Zava-nisy (izay efa somary miha malefaka ankehitriny) teo amin'ny fiarahamonina malagasy ny fanehoana fiombonana, fifanampiana, tsy ijerena havan'ny atsy na ny aroa. Mafy ny fatoram-pihavanana.[...] Ka hery sy fandrosoana, fandriam-pahalemana sy fiadanana, ... no vokatry ny firaisan-kina. Anisan'ny soatoavina miha very anefa izy io ankehitriny. Inona, araky ny hevitrao, no mety antony mahatonga izany?

25/04/2010

" Ny fijoroana ho vavolombelona
dia miteraka ao amin'ny hafa ny faniriana hamaly
ny antson'Andriamanitra "
Ny Alahady faha 4 amin'ny Paka dia atokan'ny fiangonana hivavahana ho an'ny fiantsoan'Andriamanitra. Matetika isika rehefa miresaka hoe antson'Andriamanitra dia mieritreritra avy hatrany ireo olona misafidy ny lalam-piainana pretra na relijiozy. Ny Krsitianina rehetra no antsoin'Andriamanitra mba hitory sy hiaina ny vaovao mahafaly araky ny seha-piainana misy azy avy. Miseho amin'ny endrika samihafa ny fomba entina manataneraka izany: fiainana maha pretra sy relijiozy, fanambadiana ary ao ireo mijanona ho tokan-tena hiasa eo anivon'ny fiangonana. Ny lohahevitra naroso ho dinihina dia ny hoe: "Ny fijoroana ho vavolombelona dia miteraka ao amin'ny hafa ny faniriana hamaly ny antson'Andriamanitra." Marina fa Andriamanitra no miantso. Noho izany ny antso dia fanomezana manokana avy any aminy kanefa matetika ireny no tsy mazava avy hatrany fa hazavain'ny vavaka sy ny oha-piainana asehon'ireo efa miaina izany.
Ity taona ity dia natokan'ny fiangonana ho taonan'ny Pretra. Ka amin'izao ankalazana ny andro iraisam-pirenena ivavahana ho an'ny fiantsoan'Andriamanitra izao dia andeha isika hivavaka manokana ho an'ny Pretra, ireo miofana hiroso amin'izany dingana izany ary indrindra ho an'ireo mbola eo an-dalam-pitadiavana izay lalana iantsoan'Andriamanitra azy. Mila vavaka avy amintsika tsirairay ireny Pretra ireny mba hirosoany lalindalina kokoa amin'ny fahamasinam-piainana hahafahany manampy antsika vahoakan'Andriamanitra ho masina ary indrindra hijoroany ho vavolombelona hitaona ny hafa hiroso amin'ny lalam-piainan'ny pretra araky ny iantsoan'Andriamanitra azy.

07/04/2010

Aleloia!
Tamin'ny nitsanganany ho velona i Kristy dia nanokatra tontolo vaovao ho antsika: tontolo anjakan'ny fitiavana, fifankatiavana sy ny fiadanana. Resiny ny herin'ny tontolon'ny fahafatesana. Io Kristy nandresy ny herin'ny ratsy io no banjinintsika. Ao anatin'ny fifandraisana lalina aminy no ahafahantsika mahatsapa fa nandresy ny ratsy tokoa Izy.
Koa miarahaba antsika rehetra tratry ny Paka!
Enga anie i Kristy nitsangan-kovelona
no hameno ny fiainantsika

29/03/2010

Ny 28 martsa no nankalazaina ny andron'ny tanora eran-tany. Ny lohahevitra naroson'ny Papa ray masina hodinihina dia ny hoe: " Ry Mpampianatra tsara ô! Inona no ataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?" ( Mk 10, 17 )
Ho an'ny diôsezin'Antananarivo, ny fankalazana an'izany dia nanomboka ny sabotsy 27 martsa. Nisy ny hetsika maro notanterahina. Ny alahady maraina kosa, talohan'ny hanombohan'ny Sorona Masina, dia nanome ny fampianarana izay nifantoka indrindra tamin'io lohahevitra io ny Eveka. Nantitrateriny tamin'izany fa eo am-pelantanan'ny tanora ny ho avin'ny fiangonana sy ny firenena. Mila miezaka, noho izany, hitombo eo amin'ny fiainana ny finoana.
Indro atolotra antsika tanora ny apahany amin'izany hafatry ny Papa ray masina izany: " Mila anareo izahay! Ireo ao anatin'ny hatanorana ankehitriny dia tsy maintsy misedra olana maro avy amin'ny tsy fananana asa, tsy fisian'ny ohatra sy ny tanjom-piainana azo antoka, fa indrindra ny lalan-kizorana mazava ho an'ny ho avy. (...) Na dia eo aza anefa izany dia aza mety ho kivy, aza lavina ireo nofinofinareo. Ampiroboroboy ao am-ponareo ny firahalahiana, ny fahamarinana sy ny fiadanana. Eo an-tananareo ny ho avy. (...) Mikeleza aina ianareo hanorina ny ho avinareo."
Eo am-pelantanantsika tanora tokoa ny ho avy. Ho anay ato anatin'ny ekipan'ny rakitsarobidy dia mirary fahombiazana ho anareo eo am-panarahana an'i Kristy izay toky ho an'ny ho avy.

07/03/2010

Ny fifadian-kanina sy ny tenin'Andriamanitra.

Mbola ato anatin'ny vanim-potoan'ny karemy isika izao. Fotoana izay hitalahoana ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fivavahana ny famehezan-tena ary asa fiantrana .

Ny fifadian-kanina dia fitaovana aroson'ny Fiangonana italahoana ny famindram-pon'Andriamanitra sy anehoana ny fanenena amin' ny fahotana vita. Voamarina izany ao amin'ny tantaran'i Davida izay nangataka ny famindram-pon' Andriamanitra tamin'ny ratsy nataony ary nivalo tamin'ny alalan'ny fifadian-kanina : (Salamo34,13 ary Boky faharoan'ny Mpanjaka12,16).

Ry Jodita sy Estera dia nahazo ny fitahian'Andriamanitra hamelezany ny fahavalon'ny fireneny ary nandresy azy tamin'ny alalan'ny fifadian-kanina(Jodita 8,6 Estera 15,2 ). Hita araka izany fa atao ny fifadian-kanina rehefa hangataka fahasoavana manokana amin'Andriamanitra.

Ao amin'ny Matio 4,2 dia hitantsika i Jesoa mifady hanina efapolo andro sy efapolo alina rahefa hanombola ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

Ireo Kristianina voalohany toy i Paoly sy Barnabe ihany koa dia nivavaka sy nifady hanina vao nanendry pretra.

Araka ireo ny tenin'Andriamanitra dia fitaovana mahomby tokoa ny fifadian-kanina. Koa manentana antsika ary hanao izany am-pinoana sy fitiavana isakin'ny Zoma sy ny Zoma Masina.

27/02/2010

Ny fotoan'ny karemy dia anisan'ny fotoan-dehibe eo fiainantsika kristianina. Fotoanana natao hibanjinana be be kokoa ny fitiavan'Andriamanitra izay te hamonjy ny olon-drehetra. 40 andro no iainana ny karemy, 40 andro izorana makany amin'ny fankalazana ny fitsanganan-ko velona, 40 andro izorana ho any amin'ny fiainana. Mba hahatongavana any amin'ny fitsanganan-kovelona miaraka amin' i Kristy dia ilaina ny fihavaozana anaty, miara-maty aminy amin'ny fahotana mba hiara-mitsangana aminy indray. Ny karemy ary dia fotoana natao indrindra hiovana, fiovana izay antsointsika amin'ny teny mahazatra hoe fibebahana vokatry ny fihaonana amin'Andriamanitra. Izay no antso ataon'ny fiangonana amintsika mandritra ity karemy ity. Samia ary mahay manararaotra ity fotoan-dehibe ity amin'ny alalan'ny fifadian-kanina, fanaovana asa soa ary mivavaka be be kokoa.

02/02/2010

o2 Febroary:

Nanolorana ny Tompo sady fetin'ny Jiro.

Andro natokan'ny Fiangonana ho an'ireo olom-boatokana.

Iza ireo olom-boatokana?
Tany am-piandohana, araka ny Testamenta Taloha dia ny vahoaka Jody no nofidin'Andriamanitra ary natokany ho an'ny tenany. Ankehitriny, ireo rehetra mankato ny Zanany sy ireo vita batemy rehetra no vahoaka atokan'Andriamanitra ho Azy. Ny fanokanan-tena ho an'Andriamanitra dia tanjona iombonan'ny kristianina rehetra.
Fetintsika tsirairay avy noho izany ny 02 Febroary fa kosa natokana ho fahatsiarovana ny fanoloran-tenan'ireo nantsoin'Andriamanitra . Ny pretra sy ny relijiozy ireo nantsoin'Andriamanitra manokana ireo. Samy voatokana ho an'Andriamanitra avokoa na ny relijiozy na ny kristianina hafa fa ny làlana izorany ho amin'io tanjona io no mampiavaka azy ireo.

Iza ny relijiozy?

Ny relijiozy dia:

Ireo olona antsoin'Andriamanitra hanaraka azy akaiky kokoa.

Ny atao hoe relijiozy dia ireo izay mamaly io antsom-pitiavana io ka mahafoy ny tenany ; ny fiainanay manontolo mba hitiavany sy hanompoany an'Andriamanitra niantso azy io
Minia am-pahibemaso ho tokan-tena, tsy anam-bady; tsy anan-janaka; mandra-pahafaty ny reljiozy.
Ny tanjona dia mba ho an'ny Tompo irery; mba tsy hiahy afa-tsy ny raharahany mba tsy hitady afa-tsy izay mahafaly azy.

25/01/2010

Ny masera Filles de St-Paul


Ny masera Filles de St-Paul dia fanaka voafidin' izy Tompo, tahaka an'i Md Paoly, hitondra Azy eo amin'ny tontolo ankehitriny amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisana manaraka ny toetr'andro, manana fo mirehi-pitiavana an'Andriamanitra sy ny olona rehetra

Ny masera Filles de St-Paul dia miaina ny fiainany manontolo ao amin'Andriamanitra tahaka an'i Md Paoly, ary mampamiratra izany eo amin'ny manodidina azy.

Izao tontolo izao no fetra itondran' ny masera Filles de St-Paul ny Teny Fahamarinana.

17/01/2010

Fanaka voafidy ho ahy io lehilahy io

Ny 25 Janoary ny fiangonana dia mankalaza ny fibebahan'ny Md Paoly. Izahay masera Filles de St-Paul dia manana fifandraisana lalina amin'ny Md Paoly. Izy no mpiaro ny fikambanana, fakan-tahaka eo amin'ny fanarahan-dia an'i Krsity ary manoro hevitra amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Noho izany, miaraka amin'ny fiangonana manontaolo, izahay mankalaza io fety io. Ao anatin'io fibebahany io ny fiangonana no mankalaza be be kokoa ny fihaonan'i Paoly tamin'ny Kristy izay nanova tanteraka ny tontolony. Teo aloha dia izy no nataony ivon'ny fiainany. Izany hoe ny sitrapon'ny tenany no nomeny lanja be be kokoa: "Tamin'izay i Saoly dia tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatr'i Kristy ka nangataka taratasy tamin'ny lehiben'ny mpisorona izy ho an'ny sinagôgan' i Damasy mba hahafahany hitondra am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka an'i Kristy." Taorian'ny fihaonany tamin'i Kristy kosa dia nafoiny ny sitrapon'ny tenany fa ny an'i Kristy no nataony ivon'ny fiainany. Ny fametrahana an'i Kristy haka toerana tanteraka eo amin'ny fiainantsika no fibebahana andrasana amintsika kristianina izay akantsika tahaka an'i Md Paoly. Mpanenjika ny kristianina i Md Paoly teo aloha. Ankehitriny kosa dia lasa fanaka voafidin'i Kristy hampahafantatra azy eran'izao tontolo izao.