20/12/2009

Ary ny Teny tonga Nofo

Isaorana anie Andriamanitra,

Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika,

izay nitsodrano antsika tao amin'i Kristy, amin'ny tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra,

sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao

mba ho masina sy tsy manantsiny eo anatrehany isika (Ef 1, 3-4)

Izay tenin'i Md Paoly izay no entinay ato amin'ny ekipan'ny raki-tsarobidy

miarahaba antsika rehetra tratry ny Noely

ary

irariana taona vaovao feno fahombiazana

ho antsika.

14/11/2009

Ny 26 Novambra dia hankalaza ny faha -38 taona nahafatesan'i Mompera Alberione olontsambatra isika. Izy moa no angady nananana sy vy nahitana ny fikambanan'ny masera Filles de St Paul.
Amin'izao volana Novambra izay volana natokana ahatsiarovana sy ivavahana manokana ho an'ireo havantsika efa nodimandry izao dia hahatsiaro manokana an'i Mompera Alberione Olontsambatra isika.
Raha hitodiantsika kely ny tantaran'i Mompera dia: tamin' ny faramparan'ny taonjato faha- 19 izay niainany dia efa nisongadina sahady ny tanjaky ny seresera teo amin'ny fianan'ny zanak'olombelona. Nakadiry ny akony nefa tamin'izay dia tsy voafehy loatra ny fampiasana azy. Taitra noho io fisehoan-javatra io Mompera ka nanomboka teo no nitsiry tao am-pony ny hampiasana ity fitaovana sarobidy ity hitoriana ny Vaovao Mahafaly. Izay rehetra mahasoa sy mampivelatra ny olombelona rehetra no Vaovao Mahafaly tian'i Alberiona Olontsambatra haparitaka aminy alalan'ny serasera.
Mandrak'ankehitriny dia mbola mitana toerana lehibe eo fianan'izao tontolo izao ny fitaovam-pifandraisana amin'ny piarabelona.
Hisaotra an'Andriamanitra noho ireo ohatra tsara navelan'i Mompera Alberione amin'ny fampiasana tsara ity fitaovana isika.


Ireto misy hafatra vitsitsy avy amin'i mompera Alberione olontsambatra:

Tsy misy harena lehibe azo omena an'izao tontolo izao; mahantra sy feno avonavona; afa-tsy i Jesoa Kristy.

Na inona na inona ataonareo dia ataovy tsara.
Asa vita tsara sady haingana.


Tsy ny karazan'ny asa atao no manome lanja antsika
fa ny fanaovana azy am-pitiavana.

Manàna fiheverana mahitsy,
fo mahitsy ary fiainana mahitsy
eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona rehetra.

Aza mihevitra ny hanao zavatra

goavana fa manaova ny tsara amin'izay rehetra.

Ny tena fahafahana marina dia

ny fahaizana misafidy sy manatanteraka ny Tsara.

07/11/2009

Izaho no Lalana, Fahamarinana ary Fiainana


Banjinina eo amin'ny fiainam-panahinay Masera Fille de St Paul i Kristy Mpampianatra Lalana, Fahamarinana ary Fiainana. Koa miezaka isanandro izahay mba hampifanaraka ny fiainanay amin'ny fiainany ka ho afaka hilaza toa an'i Md Paoly hoe: "Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko." Ny tanjona dia ny fahamasinana.

Nalaina tamin'ny lahatsoratra nosoratan'i Alexandra (Postulante Fille de st Paul) ao amin'ilay gazety kely "Raha Tianao" n° 62

25/10/2009

Jesoa Mpampianatra

Ny alahady farany amin'ny volana ôktôbra no ankalazanay fianakaviana Paolininanina ny fetin'i Jesoa Mpampianatra: Lalana, Fahamarinana ary Fiainana banjininay eo amin'ny fiainam-panahy. Ho anay masera Filles de St-Paul teto Antananarivo dia niarahana nankalaza tamin'ireo tanora maniry ho masera ka te hahafantatra anay Filles de St-Paul . Natomboka tamin'ny fihatahana masina ny maraina izay niresahana momba an'i "Jesoa Mpampianatra" ary nofaranana tamin'ny sorona Masina ny tolakandro.

I Jesoa tsy mba nampiasa boky na "document" hafa nentiny nampita fahalalana fa ny azy ny fiainany no nampianariny ary ny tanjona dia ny hahatonga io fiainany io ho lasa fiainantsika. Fampianarana mitarika makany amin'ny fiovam-piainana noho izany ny an'i Kristy.

04/10/2009

Mahaiza miala voly

Tanjon'ny fialam-boly:

Hanalana ny havizanana sy sorisory mandritra ny herinandro nodiavina;
hanovozana hery sy hamelombelomana ny fanahy amam-batana hiatrika ny herinandro vaovao; hafaliana sy fahatonian-tsaina

Tsy manao "ampitso lava"

Ny fangatahana andro lava ny "aleo rahampitso" dia: mampitombo sy manamafy ny
hakamoana izay miteraka tsy fahombiazana.
izay tokony hatao anio dia tanteraho anio.
Soloy havitrihana ny hakamoana


Ny lalivain'ny fiainana

Matokia an'Andriamanitra:
Ambarao azy:
ny fandaharam-potoanao, ny fanirianao.
Zarao Aminy: ny tebiteby aman'ahiahinao sy ny an'ireo mifanerasera aminao.
Ankino aminy ny olon-tianao.
Apetraho eo am-pelantanany koa: ny zavatra vitanao, ny fifandraisanao amin'ny hafa, ny fanantenanao.

29/09/2009

Ianao tanora io sy ny serasera

Ny tontolon'ny serasera dia anisan'ny maneho ny endriky ny fiaraha-monina ankehitriny. Ny tanora indrindra no milomano tanteraka ao anatin' izany (génération digitale). Anisan'ny fitaovana manana hery lehibe mamolavola ny toe-tsaina izy ireny koa manana adidy isika tanora hahay hisafidy. Maro ny zava-tsoa tovoizina avy amin'izy ireny fa maro ihany koa ny hevi-dratsy ampitainy. Amin'ny alalan'ny fampiasana ireny fitaovan-tserasera ireny, na izaho na ianao dia afaka ary manana adidy hanorinta tontolo tsaratsara hatrany. Hoy indrindra ny Papa tamin'ny hafany ho an'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny serasera 2009: " Mipetraka aminareo tanora indrindra ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'izao kaontinanta digitale izao" Koa mahaiza ary misafidy sy mampita ny tsara ho anao sy ho an'ny namanao. Eo am-pelan-tananareo tanora ny tontolo hoavy tsaratsara kokoa.


09/08/2009

Fanontanian'i Fitia

Hoy Fitia nametraka hevitra:
Mahafinaritra ny mamaky ny andram-piainana nataon'ireo tanora. Mba tokony nolazaina hoe inona moa izany hoe mampiavaka ity fikambanana ity amin'ny fiainam-bavaka? Tanora toa inona no afaka manao ity andram-piainana ity? Matoa izany ireo tanora ireo nandany volana maromaro tao dia ao raha! Toa tsy mba manao fanasana ny tanora hafa izy ireo mba hanao izany andram-piainana izany sa ho azy ireo ihany ny zavatra soa toy izao? (cf. commentaire 21/07/09: "stage")
Hoy kosa izahay:
- Misaotra an'i Fitia nametraka hevitra. Ny mampiavaka an'ity fikambanana ity amin'ny fiainam-bavaka dia ny fiezahana manatratra ilay tenin'ny Md Paoly hoe "tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko" Gal 2, 20. Izany hoe ny an'i Md Paoly ny fiainany manontolo dia fifandraisana lalina tamin'i Jesoa: ny fomba fieritreretany, ny asa nataony, ny sitrapony,... nampifanarahiny tamin'ny an'i Jesoa avokoa. Izay fomba fifandraisan'i Md Paoly tamin'i Jesoa izay no noraisin'ny mpanorina ho fiainam-panahin'ny fikambanana. Amin'ny alalan'ny vavaka no ahatongavana amin'izay firaisan'aina tanteraka amin'i Kristy izay ka banjininay manokana i Jesoa Mpampianatra: Lalana sy Fahamarinana ary Fiainainana manaraka ny ohatra navelan'i Md Paoly, eo ambany fiarovan'i Masina Maria Mpanjakavavin' ny Apôstôly.
- Ny fanontaniana sisa dia efa voavaly ( cf. commentaire 21/07/09: "stage")


01/08/2009

Mahafinaritra ny fiainana

Famintinana ny fiainan’ny « stagiaire » nandritry ny taona 2008 - 2009

Androany no fotoana nofidianay
Hanoloranay hira iray
Izy ity dia natao mba hilazanay
Ny fiainanay hatrizay stage izay
Koa miangavy anareo hihaino ny tonon-kira
Amin’izay dia mba misy souvenir
Ahatsiarovanareo ny staginay teto
Feno kalokalo sy hirahira

Raha niala tany an-trano moa izahay hanao stage
Dia tsy nihevitra hanao vazivazy
Saingy ny ela hono letsy maharay roa
Ka lasa nifankahazo am-po
Indreo ny Masera, aspirantes, stagiaires
Fa tena nifanerasera
Ka faly aok’izany izahay stagiaires
Fa poince ry ireto ‘ty ny afera

Fiv :Dia ny hirahiranay hiraina
Raha mahatsiarotsiaro nareo
Ny soa niarahana tadidio
Fa i Jesoa no nahatonga an’io

Raha ny fiainanay teto aloha dia tena nilay
Ka indro fa ho tsiahivinay
Ny fianarana, ny vavaka, ny asa, ny kilalao
Dia tena tsy naha te handao
Hitanay taiza moa izay méditation
Indrindra fa ny adoration
Nanampy izany ny récollection
Ary dia teo koa ny confession

Raha ny apostolà indray no holazainay
Dia maro ny zavatra hainay
Ka ampahany ihany no hambaranay
Izay tena nahazatra anay
Pliage, assemblage sy ny agrafage
Ireny no nampitana ny message
Rehefa vita dia nalefa any amin’ny librairie
Ka hita fa be mpankafy

Raha ny fiaraha-miaina no andeha hotantaraina
Tsy dia maro ny ratsy holazaina
Ka ampahany amin’izany izay tena nilay
Dia teo ny fitaomana kitay
Teo ny portière sy ny nettoyage
Hatramin’izao tsy hay izay namaky vazy
Vao novidiana koa ny débouchage
Avy hatrany dia tapaka ho azy

Maro ny zavatra izay simbanay
Ka indro fa ifonanay
Nisy ny nisantatra ny famakiam-bilia
Vao nanomboka ity stage ity
Ary koa ny baolina sy boaty tsakay
Izay potika tsy nisy voaray
Koa mangataka ny famelanareo
Dia ho faly zahay rehefa mody avy eo

Raha ny fahaizanay vollet no hojerena
Dia hita fa tena nahasorena
Niezaka hatrany ihany izahay
Ka indro fa nandroso nihanahay
Ka ankehitriny izahay dia handeha hody
Satria ny service efa tody
Koa isaoranay anareo tsy an-kanavaka
Sady mbola hoentinay am-bavaka

Ny fiaranana mivoaka aloha tena nilamina
Ka tena tsy misy kianina
Ny fandehanan-tongotra dia tena nahazatra
Ny fotoana izay henjana dia tratra
Maro ireo toerana manan-tantara sy malaza
Mahamasina, 13 May, Tsimbazaza
Ka maromaroa ihany ny tahak’izany
Fa ataontsika milay be hatrany

Raha asiana resaka kely koa ny amin’ny fianarana
Ny anglais, français tsy nanavanana
Ankehitriny anefa dia milaza izahay
Fa mba nisy koa ny fivoarana
Nahafantarana pays maro teto Afrika
Toan’i Rwanda, Libye, Congo
Ilay taranja iray izay ankafizinay
Dia tsy iza fa ny Histo-Geo

Tsy ambakan’izany koa ny fianarana baiboly
Ary amin’ny vie communautaire
Mamporisika anay mba hanana herim-po
Mba tsy ho voadona dia mianjera
Tsy ho hadinonay koa ny katesizin’ny Fiangonana
Ny famintinana azy aloha tsy nisy olana
Teo koa ny fandinihina ny filamatra valo
Paoly izay nitondra fampianarana maro

Nahasoa ihany koa ny fanaovana session
Nanampy anay amin’ny formation
Nampitombo aim-panahy koa ny récollection
Satria ilaina ny concentration
Zava-dehibe teo amin’ny fiainana
Ny fanaovana ny partage
Matotra ny resaka izay hifanaovana
Ka tsy mila manao vazivazy

Nanamarika ihany koa ny fiarahana miavaka
Ny misakafo eo ambony latabatra
Maneho avy hatrany ny tena fiombonana
Hany zahay ka tena mazoto homana
Mifankahita eo isika mianakavy
Na maraina izany na atoandro
Hany ka niodina in-telo monja fotsiny
Dia ritra ilay sakay feno voanjo

Eto am-pamaranana dia faly izahay
Hamarana ity tafanay
Izay no vitanay ka isaoranay anareo
Nihaino anay nanandram-peo
Voninahitra sy dera kosa ho an’Andriamanitra
Mba hitohy hatrany ny hasaramanitra
Ka andeha hody izahay hisaintsaina
Raha hiverina dia tsy halaindaina

Indro hisampana ary ny dianay
Ka veloma no apetrakay
Handeha hody izahay ho any amin’ny fianankaviana
Sy hihaona amin’ireo havatiana
Arivonimamo, Antsirabe, Tanetibe, Imito
Ny deparanay aloha dia amin’ny fito
Analalava, Fandriana sy Andravoahangy
Veloma dia samy mampamangy

Ny teninay farany dia ny hoe : « tongava isika tovovavy hanao izany andram-piainana izany. Ireo efa nambaranay anareo ireo ny akony avy aty aminay. »

STAGIAIRES: Arisoa, Nasah, Haingo, Voahirana, Olivà, Julie, Ranto, Vololona

21/07/2009

Stage

Anisan’ny dingam-piofanana arahina amin’ny firosoana ho masera Filles de St-Paul ny « stage ». Nahavita izany izy 8 mirahavavy ka indro harahintsika ny niainany azy ( izy 6 no mitantara ):

Vololona – Ambohibary Antsirabe: Hafaliana ho ahy no mizara aminao ny niainako ny andram-piainana nataoko tato amin’ny fikambanan’ny masera Filles de St-Paul nandritra ny 8 volana. Amin’ny ankapobeny dia azoko lazaina fa tena nahafinaritra tokoa. Eo amin’ny fiainam-bavaka dia hita fa manana ny mampiavaka azy izy ireo. Maro ny zavatra nianarako teo amin’ny asa manokana sahanin’izy ireo toy ny fanamboarana boky, sns… sady mba nandraisan’ny tena anjara tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Momba ny fiaraha-miaina dia nanome hafaliana satria niainana tao anatin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana. Tsy latsa-danja ny fialam-boly amin’ny lafiny maro izay tsy nampoiziko fa tena tsara be sy ny asa madinidinika isa-karazany. Maro tsy voatanisa ny fanabeazana sy ny fahalalana azoko nandritra izay 8 volana izay, nahafahana nandinika be be kokoa ny hoe aiza marina no lalana itarihan’Andriamanitra ahy. Tsy faty antoka e!

Voahirana - Antananarivo : Vita ny andram-piaianana nataoko nandritra ny 4 volana tato amin’ny masera Filles de St-Paul. Isaorana an’Andriamanitra lehibe izany. Nahafinaritra ny fiaraha-miainanay tato amin’ny trano fiofanana satria nomarihin’ny fiombonana sy ny fifankatiavana. Fiaraha-mientana hatrany no hita. Nahafinaritra ahy ihany koa ny nahafahako nifanerasera tamin’ireo tovovavy maro avy eto amin’ny lafy valon’ny Nosy. Ny tena hitako nisongadina tamin’ity andram-piainana nataoko ity dia fanabeazana nomen’ireo mpanabe izay mamolavola vatana, saina, fanahy ary ny fanomezana lanja ambonin’ny zavatra rehetra ny ara-panahy.

Oliva - Antsiranana: Nanao andram-piainana tato amin’ny fikambanan’ny masera Filles de St-Paul aho nandritra ny 5 volana. Nazava tamiko be be kokoa ny momba ny fiainan’izy ireo izay azoko fintinina hoe : vavaka, fianarana, asa, fiaraha-miaina miaraka amin’ny fialam-boly.
Faly aho nahavita an’izy ity. Betsaka ny zavatra nianarako sy niainako fa indrindra ny fahafantarana be be kokoa momba ny antson’Andriamanitra.

Julie - Imito: Naharitra 8 volana ny andram-piainana nataoko tato amin’ny fikambanan’ny masera Filles de St-Paul ho fahalalana momba ny fiainan’izy ireo. Raha fintinina dia nahafinaritra ahy ny nandalovako io fotoana io. Anisan’ny tsapako ho nisongadina ny fiombonana na teo amin’ny fanatontosana ny asa na teo amin’ny vavaka sy ny fiainana an-davanandro.

Nassah – Arivonimamo : Isaora i Jesoa sy ny masera Filles de St-Paul fa vita ny andram-piainana nataoko nandritra ny 7 volana. Maro ny zavatra nianarako toy ny fomba fivavaka, ny fiaraha-miaina ary ny asa mampiavaka ity fikambanan’ny masera ity. Nandritra io fotoana io ihany koa no nahalalako be be kokoa momba ny antson’Andriamanitra.
Na dia teo ary ny soa sy ny fahasoavana noratoviko dia tsy nilaozan’ny fahasarotana. Tao anatin’izany rehetra izany anefa dia tsapako ho niaina ny fiadanam-po sy hafaliana tanteraka aho

Haingo - Fandriana: Fotoana lavalava tokoa no niatrehako ny andram-piainana nataoko teto amin’ny fikambanan’ny masera Filles de St-Paul. Nandritra izany no nahitako ny fombam-piainan’izy ireo. Raha ny fiainana ara-panahy no ambara dia anisan’ny mampiavaka azy ireo ny fanaovany fandinihana sy fifampizarana ny tenin’Andriamanitra, fitsaohana ny sakramenta masina adin’iray isanandro, ny fihatahana masina isam-bolana. Eo amin’ny sehatry ny asa kosa dia mahafinaritra ahy ny manamboatra boky, ny mitety paroasy na sekoly mitondra ho an’ny olona ny vokatry ny asa. Misy fotoana ihany koa iarahanay milalao, miala voly, manao fety, mijery tele, mianatra, … izay tena mahafinaritra ahy tokoa.
Izany rehetra izany dia nataon’izy ireo ho fanahafana an’i Md Paoly amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa ka izany no tsy ahafoizako ny FSP.

30/06/2009

Isaorana Andriamanitra amin’izao famaranana ny taonan’i Md Paoly izao noho ireo karazam-pahasoavana maro nomeny tamin’ny alalan’io olomasina io. Maro ny hetsika nokarakaraina teto Madagasikara, tany amin’ny diosezy tsirairay, ho fampahafantarana an’i Md Paoly. Anisan’ny ezaka iray lehibe nandritra iny taon-jobily iny ny famoahan’ny edisiona Md Paoly, izay tantanan’ny masera Filles de St- Paul, boky 10 karazana fantatra ao anatin’ny tarika heo : « Filamatra » hanampiana ny kristianina hahafantatra be be kokoa an’i Md Paoly. Ny boky tsirairay dia mamelabelatra lohahevitra iray avy. Hitantsika amin’ny sary eto ambany ny karazany.
Ny taon-jobily fankalazana ny faha 2000 taona nahaterahany no nifarana fa ny harem-panahy navelany kosa tsy ho tapitra na oviana na oviana izay voavelabelatra ao anatin’ireo boky tsirairay ireo.
Izy rehetra ireo dia hitantsika ao amin’ny librairie Md Paoly.

02/06/2009

Safidy

Vita soa aman-tsara ny fihaonan'ireo tovovavy te hahalala ny antson'Andriamanitra ho azy ka te hahafantatra bebe kokoa ny fikambanan'ny masera Filles de St-Paul. Nisy 6 mirahavavy izy ireo avy amin'ny faritra samihafa manodidina an'ny Fandriana. Naharitra 3 andro ny fihaonana. Ny andro voalohany dia niresaka momba ny antson'Andriamanitra amin'ny ankapobeny izay notohizana tamin'ny fampahafantarana azy ireo ny masera Filles de St-Paul. Ny andro manaraka kosa dia nanao fihatahana masina izay fotoana fahanginana hahafahana mandinika samy irery momba an'io antso io. Ny andro fahatelo dia ny fanaovana jery todika ireo andro roa voalohany, torohevitra ary nofaranana tamin'ny korana izay samy nandraisan'ny tsirairay anjara ka nanehoany ny talentany avy.
Tsapa hoe liana tanteraka izy ireo ary hita soritra teny aminy ny fitiavana te hahalala ny antson'Andriamanitra ho azy ireo.
Tsy mitsahatra miantso Andriamanitra fa anjarantsika ny mamantatra ka mamaly izany antsony izany.

19/05/2009

Aoka isika hivavaka

Ry Jesoa Tompo, Ianao ihany no nilaza hoe:
"Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy";
dia hoy lanao nanampy:
"Angataho àry ny Tompom-bokatra haniraka mpiasa amin'ny sahany".
Koa amim-po manaiky anao sady sitrakao
no ivavahanay ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra.
Henoy, ry Andriamanitray ny fitalahoanay aminao:
omeo pretra masina sy maro izahay
hitory ny evanjelinao sy hizara ny fahasoavanao;
omeo relijiozy vonona sy mahafoy tena ny Eglizinao
ho vavolombelon'ny fitiavanao hatrany amin'ny fara vazantany;
omeo apostoly lahika vonona hamonjy ny namana izahay:
hampamiratra ny toe-panahy kristianina eran'ny tany rehetra:
amin'ny fitiavam-bavaka,
amin'ny fitiava-namana,
amin'ny fandeferana sy herim-panahy,
amin'ny asa sahanina,
hampibaribary ny toe-tsainao Kristy mamelona azy.
Mba fidio eto afovoanay izy ireo:
amin'ny fiangonanay,
amin'ny sekolinay,
amin'ny fianakavianay.
Tohano izahay mba hahay hanampy,
araka ny herinay rehetra,
ireo izay antsoinao ka manaraka Anao amin-kerim-po sy fitokiana,
mba ho tonga ny Fanjakanao.
Miaraka amin'i Masina Maria Virjiny
sy ireo olomasina rehetra razanay izahay
no mitalaho izany aminao.
Amen.

11/04/2009

"Ary raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy, dia foana ny finoanareo."(1Kor 15, 17)

Io tenin'i Md Paoly io no entinay iarahabana antsika rehetra tratr'izao fetin'ny Paka izao.
Ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty no fototry ny finoana maha kristianina, maneho ny fandresena ny fahafatesana vokatry ny fahotana, indrindra manokatra ho an'ny olombelona ny hafenoan'ny fiainana ao amin'Andriamanidtra. Fotoana lehibe amin'ny maha kristianina noho izany ny Paka. Tsy tokony havela handalo fotsiny fa ibanjinana ny fandresena ilay fahotana efa niara- nalevina tamin'i Kristy. Ny fijaliana sy ny fahafatesana dia tsy tompon'ny teny farany eo amin'ny fiainana maha kristianina fa lalana mampita any amin'ny fiainam-baovao . Ny fiainana ny misterin'ny Paka noho izany dia mandalo fahafatesana amin'ny fahotana mba haha tongavana amin'ilay fahavelomana ao amin'i Kristy.
Koa samia ary miezaka.
Hanjaka ao am-pontsika anie ny fiadanan'i Kristy tafa-tsangan-kovelona

01/04/2009

Andron'ny tanora era-tany 2009


Andriamanitra velona no nametrahanay ny fanantenanay (1Tim4,10)

Io no lohahevitra naroson'ny Papa Ray Masina ho dinihina amin'ny fankalazana ny andron'ny tanora era-tany.
Ivon'ny fiainan'ny olombelona ny fanantenana. Miavaka izany eo amin'ny tanora. Ao amin'ny fahatanorana mantsy no ametrahana ny safidy fototra ho amin'ny fiainana manontolo. Tsy ampy hanorenana ilay fanantenana tadiavin'ny fanahin'ny olombelona anefa ny harena sy ny hatsaran-toetra. Andriamanitra irery no fanantenana marina.
Mahakasika ny taranaka ankehitriny ny sedran'ny fanantenana noho ny fiarahamonina tsy mitombina sy tsy misy soa toavina ianteherana ka toa manery azy hiatrika zavatra mihoatra ny heriny. Noho izany dia mamporisika antsika tanora ny Papa ho iraky ny fitiavan'Andriamanitra afaka hanorina ho avy feno fanantenana ho an'ny olombelona. I Md Paoly dia apôstôly vavolombelon'ny fanantenana ka amin'izao taona natokana hankalazana ny faha 2000 taona nahaterahany izao dia miaraka aminy isika ho tonga vavolombelona azo antoka ho an'ny fanantenana kristianina. Banjino sy antsoy i Masina Maria ilay renin'ny fanantenana, mitarika ny diantsika.

16/03/2009

Iza moa ny masera Filles de St-Paul?


Fikambanan-drelijiozy misionera, voaantso sy voatokana ho an'Andriamanitra ary voairaka hitory ny Vaovao Mahafaly sy hampivelatra ny olona amin'ny alalan'ny boky, gazety, radio, video, television, internet...
Manolotra ny fiainana manontolo ho an'Andriamanitra izahay hahafahanay mitondra an'i Kristy amin'ny olona rehetra. Ho anay eto Madagasikara, ny varotra fampisehoana boky no mbola fitaovana ifantohanay be be kokoa anaparitahana ny tenin'Andriamanitra sy anabeazana ny olona.
I Mômpera Alberione no nanorina ity fikambanana ity izay niarahany niasa akaiky tamin'i Masera Tecla Merlo.
Raha lazaina amin'ny teny fohy ny fiainam-panahin'ny masera Filles de St-Paul dia toy izao manaraka izao:
- Mivelona manontolo ny Evanjelin'i Jesoa Mpampianatra Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-Ny Eokaristia sy ny tenin'Andriamanitra ary ny ankohonam-piainana no anovozana ny hazavana sy ny hery ho entina miaina ny fiantsoana anay.
- I Md Paoly no ray mpiaro sy fakan-tahaka amin'ny fiombonam-piainana amin'i Jesoa Kristy sy amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Eo ambany fiarovan'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny apôstôly no anatanterahana izany