14/11/2009

Ny 26 Novambra dia hankalaza ny faha -38 taona nahafatesan'i Mompera Alberione olontsambatra isika. Izy moa no angady nananana sy vy nahitana ny fikambanan'ny masera Filles de St Paul.
Amin'izao volana Novambra izay volana natokana ahatsiarovana sy ivavahana manokana ho an'ireo havantsika efa nodimandry izao dia hahatsiaro manokana an'i Mompera Alberione Olontsambatra isika.
Raha hitodiantsika kely ny tantaran'i Mompera dia: tamin' ny faramparan'ny taonjato faha- 19 izay niainany dia efa nisongadina sahady ny tanjaky ny seresera teo amin'ny fianan'ny zanak'olombelona. Nakadiry ny akony nefa tamin'izay dia tsy voafehy loatra ny fampiasana azy. Taitra noho io fisehoan-javatra io Mompera ka nanomboka teo no nitsiry tao am-pony ny hampiasana ity fitaovana sarobidy ity hitoriana ny Vaovao Mahafaly. Izay rehetra mahasoa sy mampivelatra ny olombelona rehetra no Vaovao Mahafaly tian'i Alberiona Olontsambatra haparitaka aminy alalan'ny serasera.
Mandrak'ankehitriny dia mbola mitana toerana lehibe eo fianan'izao tontolo izao ny fitaovam-pifandraisana amin'ny piarabelona.
Hisaotra an'Andriamanitra noho ireo ohatra tsara navelan'i Mompera Alberione amin'ny fampiasana tsara ity fitaovana isika.


Ireto misy hafatra vitsitsy avy amin'i mompera Alberione olontsambatra:

Tsy misy harena lehibe azo omena an'izao tontolo izao; mahantra sy feno avonavona; afa-tsy i Jesoa Kristy.

Na inona na inona ataonareo dia ataovy tsara.
Asa vita tsara sady haingana.


Tsy ny karazan'ny asa atao no manome lanja antsika
fa ny fanaovana azy am-pitiavana.

Manàna fiheverana mahitsy,
fo mahitsy ary fiainana mahitsy
eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona rehetra.

Aza mihevitra ny hanao zavatra

goavana fa manaova ny tsara amin'izay rehetra.

Ny tena fahafahana marina dia

ny fahaizana misafidy sy manatanteraka ny Tsara.

07/11/2009

Izaho no Lalana, Fahamarinana ary Fiainana


Banjinina eo amin'ny fiainam-panahinay Masera Fille de St Paul i Kristy Mpampianatra Lalana, Fahamarinana ary Fiainana. Koa miezaka isanandro izahay mba hampifanaraka ny fiainanay amin'ny fiainany ka ho afaka hilaza toa an'i Md Paoly hoe: "Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko." Ny tanjona dia ny fahamasinana.

Nalaina tamin'ny lahatsoratra nosoratan'i Alexandra (Postulante Fille de st Paul) ao amin'ilay gazety kely "Raha Tianao" n° 62