21/07/2009

Stage

Anisan’ny dingam-piofanana arahina amin’ny firosoana ho masera Filles de St-Paul ny « stage ». Nahavita izany izy 8 mirahavavy ka indro harahintsika ny niainany azy ( izy 6 no mitantara ):

Vololona – Ambohibary Antsirabe: Hafaliana ho ahy no mizara aminao ny niainako ny andram-piainana nataoko tato amin’ny fikambanan’ny masera Filles de St-Paul nandritra ny 8 volana. Amin’ny ankapobeny dia azoko lazaina fa tena nahafinaritra tokoa. Eo amin’ny fiainam-bavaka dia hita fa manana ny mampiavaka azy izy ireo. Maro ny zavatra nianarako teo amin’ny asa manokana sahanin’izy ireo toy ny fanamboarana boky, sns… sady mba nandraisan’ny tena anjara tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Momba ny fiaraha-miaina dia nanome hafaliana satria niainana tao anatin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana. Tsy latsa-danja ny fialam-boly amin’ny lafiny maro izay tsy nampoiziko fa tena tsara be sy ny asa madinidinika isa-karazany. Maro tsy voatanisa ny fanabeazana sy ny fahalalana azoko nandritra izay 8 volana izay, nahafahana nandinika be be kokoa ny hoe aiza marina no lalana itarihan’Andriamanitra ahy. Tsy faty antoka e!

Voahirana - Antananarivo : Vita ny andram-piaianana nataoko nandritra ny 4 volana tato amin’ny masera Filles de St-Paul. Isaorana an’Andriamanitra lehibe izany. Nahafinaritra ny fiaraha-miainanay tato amin’ny trano fiofanana satria nomarihin’ny fiombonana sy ny fifankatiavana. Fiaraha-mientana hatrany no hita. Nahafinaritra ahy ihany koa ny nahafahako nifanerasera tamin’ireo tovovavy maro avy eto amin’ny lafy valon’ny Nosy. Ny tena hitako nisongadina tamin’ity andram-piainana nataoko ity dia fanabeazana nomen’ireo mpanabe izay mamolavola vatana, saina, fanahy ary ny fanomezana lanja ambonin’ny zavatra rehetra ny ara-panahy.

Oliva - Antsiranana: Nanao andram-piainana tato amin’ny fikambanan’ny masera Filles de St-Paul aho nandritra ny 5 volana. Nazava tamiko be be kokoa ny momba ny fiainan’izy ireo izay azoko fintinina hoe : vavaka, fianarana, asa, fiaraha-miaina miaraka amin’ny fialam-boly.
Faly aho nahavita an’izy ity. Betsaka ny zavatra nianarako sy niainako fa indrindra ny fahafantarana be be kokoa momba ny antson’Andriamanitra.

Julie - Imito: Naharitra 8 volana ny andram-piainana nataoko tato amin’ny fikambanan’ny masera Filles de St-Paul ho fahalalana momba ny fiainan’izy ireo. Raha fintinina dia nahafinaritra ahy ny nandalovako io fotoana io. Anisan’ny tsapako ho nisongadina ny fiombonana na teo amin’ny fanatontosana ny asa na teo amin’ny vavaka sy ny fiainana an-davanandro.

Nassah – Arivonimamo : Isaora i Jesoa sy ny masera Filles de St-Paul fa vita ny andram-piainana nataoko nandritra ny 7 volana. Maro ny zavatra nianarako toy ny fomba fivavaka, ny fiaraha-miaina ary ny asa mampiavaka ity fikambanan’ny masera ity. Nandritra io fotoana io ihany koa no nahalalako be be kokoa momba ny antson’Andriamanitra.
Na dia teo ary ny soa sy ny fahasoavana noratoviko dia tsy nilaozan’ny fahasarotana. Tao anatin’izany rehetra izany anefa dia tsapako ho niaina ny fiadanam-po sy hafaliana tanteraka aho

Haingo - Fandriana: Fotoana lavalava tokoa no niatrehako ny andram-piainana nataoko teto amin’ny fikambanan’ny masera Filles de St-Paul. Nandritra izany no nahitako ny fombam-piainan’izy ireo. Raha ny fiainana ara-panahy no ambara dia anisan’ny mampiavaka azy ireo ny fanaovany fandinihana sy fifampizarana ny tenin’Andriamanitra, fitsaohana ny sakramenta masina adin’iray isanandro, ny fihatahana masina isam-bolana. Eo amin’ny sehatry ny asa kosa dia mahafinaritra ahy ny manamboatra boky, ny mitety paroasy na sekoly mitondra ho an’ny olona ny vokatry ny asa. Misy fotoana ihany koa iarahanay milalao, miala voly, manao fety, mijery tele, mianatra, … izay tena mahafinaritra ahy tokoa.
Izany rehetra izany dia nataon’izy ireo ho fanahafana an’i Md Paoly amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa ka izany no tsy ahafoizako ny FSP.