30/06/2009

Isaorana Andriamanitra amin’izao famaranana ny taonan’i Md Paoly izao noho ireo karazam-pahasoavana maro nomeny tamin’ny alalan’io olomasina io. Maro ny hetsika nokarakaraina teto Madagasikara, tany amin’ny diosezy tsirairay, ho fampahafantarana an’i Md Paoly. Anisan’ny ezaka iray lehibe nandritra iny taon-jobily iny ny famoahan’ny edisiona Md Paoly, izay tantanan’ny masera Filles de St- Paul, boky 10 karazana fantatra ao anatin’ny tarika heo : « Filamatra » hanampiana ny kristianina hahafantatra be be kokoa an’i Md Paoly. Ny boky tsirairay dia mamelabelatra lohahevitra iray avy. Hitantsika amin’ny sary eto ambany ny karazany.
Ny taon-jobily fankalazana ny faha 2000 taona nahaterahany no nifarana fa ny harem-panahy navelany kosa tsy ho tapitra na oviana na oviana izay voavelabelatra ao anatin’ireo boky tsirairay ireo.
Izy rehetra ireo dia hitantsika ao amin’ny librairie Md Paoly.

02/06/2009

Safidy

Vita soa aman-tsara ny fihaonan'ireo tovovavy te hahalala ny antson'Andriamanitra ho azy ka te hahafantatra bebe kokoa ny fikambanan'ny masera Filles de St-Paul. Nisy 6 mirahavavy izy ireo avy amin'ny faritra samihafa manodidina an'ny Fandriana. Naharitra 3 andro ny fihaonana. Ny andro voalohany dia niresaka momba ny antson'Andriamanitra amin'ny ankapobeny izay notohizana tamin'ny fampahafantarana azy ireo ny masera Filles de St-Paul. Ny andro manaraka kosa dia nanao fihatahana masina izay fotoana fahanginana hahafahana mandinika samy irery momba an'io antso io. Ny andro fahatelo dia ny fanaovana jery todika ireo andro roa voalohany, torohevitra ary nofaranana tamin'ny korana izay samy nandraisan'ny tsirairay anjara ka nanehoany ny talentany avy.
Tsapa hoe liana tanteraka izy ireo ary hita soritra teny aminy ny fitiavana te hahalala ny antson'Andriamanitra ho azy ireo.
Tsy mitsahatra miantso Andriamanitra fa anjarantsika ny mamantatra ka mamaly izany antsony izany.