25/04/2010

" Ny fijoroana ho vavolombelona
dia miteraka ao amin'ny hafa ny faniriana hamaly
ny antson'Andriamanitra "
Ny Alahady faha 4 amin'ny Paka dia atokan'ny fiangonana hivavahana ho an'ny fiantsoan'Andriamanitra. Matetika isika rehefa miresaka hoe antson'Andriamanitra dia mieritreritra avy hatrany ireo olona misafidy ny lalam-piainana pretra na relijiozy. Ny Krsitianina rehetra no antsoin'Andriamanitra mba hitory sy hiaina ny vaovao mahafaly araky ny seha-piainana misy azy avy. Miseho amin'ny endrika samihafa ny fomba entina manataneraka izany: fiainana maha pretra sy relijiozy, fanambadiana ary ao ireo mijanona ho tokan-tena hiasa eo anivon'ny fiangonana. Ny lohahevitra naroso ho dinihina dia ny hoe: "Ny fijoroana ho vavolombelona dia miteraka ao amin'ny hafa ny faniriana hamaly ny antson'Andriamanitra." Marina fa Andriamanitra no miantso. Noho izany ny antso dia fanomezana manokana avy any aminy kanefa matetika ireny no tsy mazava avy hatrany fa hazavain'ny vavaka sy ny oha-piainana asehon'ireo efa miaina izany.
Ity taona ity dia natokan'ny fiangonana ho taonan'ny Pretra. Ka amin'izao ankalazana ny andro iraisam-pirenena ivavahana ho an'ny fiantsoan'Andriamanitra izao dia andeha isika hivavaka manokana ho an'ny Pretra, ireo miofana hiroso amin'izany dingana izany ary indrindra ho an'ireo mbola eo an-dalam-pitadiavana izay lalana iantsoan'Andriamanitra azy. Mila vavaka avy amintsika tsirairay ireny Pretra ireny mba hirosoany lalindalina kokoa amin'ny fahamasinam-piainana hahafahany manampy antsika vahoakan'Andriamanitra ho masina ary indrindra hijoroany ho vavolombelona hitaona ny hafa hiroso amin'ny lalam-piainan'ny pretra araky ny iantsoan'Andriamanitra azy.

07/04/2010

Aleloia!
Tamin'ny nitsanganany ho velona i Kristy dia nanokatra tontolo vaovao ho antsika: tontolo anjakan'ny fitiavana, fifankatiavana sy ny fiadanana. Resiny ny herin'ny tontolon'ny fahafatesana. Io Kristy nandresy ny herin'ny ratsy io no banjinintsika. Ao anatin'ny fifandraisana lalina aminy no ahafahantsika mahatsapa fa nandresy ny ratsy tokoa Izy.
Koa miarahaba antsika rehetra tratry ny Paka!
Enga anie i Kristy nitsangan-kovelona
no hameno ny fiainantsika