27/02/2010

Ny fotoan'ny karemy dia anisan'ny fotoan-dehibe eo fiainantsika kristianina. Fotoanana natao hibanjinana be be kokoa ny fitiavan'Andriamanitra izay te hamonjy ny olon-drehetra. 40 andro no iainana ny karemy, 40 andro izorana makany amin'ny fankalazana ny fitsanganan-ko velona, 40 andro izorana ho any amin'ny fiainana. Mba hahatongavana any amin'ny fitsanganan-kovelona miaraka amin' i Kristy dia ilaina ny fihavaozana anaty, miara-maty aminy amin'ny fahotana mba hiara-mitsangana aminy indray. Ny karemy ary dia fotoana natao indrindra hiovana, fiovana izay antsointsika amin'ny teny mahazatra hoe fibebahana vokatry ny fihaonana amin'Andriamanitra. Izay no antso ataon'ny fiangonana amintsika mandritra ity karemy ity. Samia ary mahay manararaotra ity fotoan-dehibe ity amin'ny alalan'ny fifadian-kanina, fanaovana asa soa ary mivavaka be be kokoa.

02/02/2010

o2 Febroary:

Nanolorana ny Tompo sady fetin'ny Jiro.

Andro natokan'ny Fiangonana ho an'ireo olom-boatokana.

Iza ireo olom-boatokana?
Tany am-piandohana, araka ny Testamenta Taloha dia ny vahoaka Jody no nofidin'Andriamanitra ary natokany ho an'ny tenany. Ankehitriny, ireo rehetra mankato ny Zanany sy ireo vita batemy rehetra no vahoaka atokan'Andriamanitra ho Azy. Ny fanokanan-tena ho an'Andriamanitra dia tanjona iombonan'ny kristianina rehetra.
Fetintsika tsirairay avy noho izany ny 02 Febroary fa kosa natokana ho fahatsiarovana ny fanoloran-tenan'ireo nantsoin'Andriamanitra . Ny pretra sy ny relijiozy ireo nantsoin'Andriamanitra manokana ireo. Samy voatokana ho an'Andriamanitra avokoa na ny relijiozy na ny kristianina hafa fa ny làlana izorany ho amin'io tanjona io no mampiavaka azy ireo.

Iza ny relijiozy?

Ny relijiozy dia:

Ireo olona antsoin'Andriamanitra hanaraka azy akaiky kokoa.

Ny atao hoe relijiozy dia ireo izay mamaly io antsom-pitiavana io ka mahafoy ny tenany ; ny fiainanay manontolo mba hitiavany sy hanompoany an'Andriamanitra niantso azy io
Minia am-pahibemaso ho tokan-tena, tsy anam-bady; tsy anan-janaka; mandra-pahafaty ny reljiozy.
Ny tanjona dia mba ho an'ny Tompo irery; mba tsy hiahy afa-tsy ny raharahany mba tsy hitady afa-tsy izay mahafaly azy.