29/03/2010

Ny 28 martsa no nankalazaina ny andron'ny tanora eran-tany. Ny lohahevitra naroson'ny Papa ray masina hodinihina dia ny hoe: " Ry Mpampianatra tsara ô! Inona no ataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?" ( Mk 10, 17 )
Ho an'ny diôsezin'Antananarivo, ny fankalazana an'izany dia nanomboka ny sabotsy 27 martsa. Nisy ny hetsika maro notanterahina. Ny alahady maraina kosa, talohan'ny hanombohan'ny Sorona Masina, dia nanome ny fampianarana izay nifantoka indrindra tamin'io lohahevitra io ny Eveka. Nantitrateriny tamin'izany fa eo am-pelantanan'ny tanora ny ho avin'ny fiangonana sy ny firenena. Mila miezaka, noho izany, hitombo eo amin'ny fiainana ny finoana.
Indro atolotra antsika tanora ny apahany amin'izany hafatry ny Papa ray masina izany: " Mila anareo izahay! Ireo ao anatin'ny hatanorana ankehitriny dia tsy maintsy misedra olana maro avy amin'ny tsy fananana asa, tsy fisian'ny ohatra sy ny tanjom-piainana azo antoka, fa indrindra ny lalan-kizorana mazava ho an'ny ho avy. (...) Na dia eo aza anefa izany dia aza mety ho kivy, aza lavina ireo nofinofinareo. Ampiroboroboy ao am-ponareo ny firahalahiana, ny fahamarinana sy ny fiadanana. Eo an-tananareo ny ho avy. (...) Mikeleza aina ianareo hanorina ny ho avinareo."
Eo am-pelantanantsika tanora tokoa ny ho avy. Ho anay ato anatin'ny ekipan'ny rakitsarobidy dia mirary fahombiazana ho anareo eo am-panarahana an'i Kristy izay toky ho an'ny ho avy.

07/03/2010

Ny fifadian-kanina sy ny tenin'Andriamanitra.

Mbola ato anatin'ny vanim-potoan'ny karemy isika izao. Fotoana izay hitalahoana ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fivavahana ny famehezan-tena ary asa fiantrana .

Ny fifadian-kanina dia fitaovana aroson'ny Fiangonana italahoana ny famindram-pon'Andriamanitra sy anehoana ny fanenena amin' ny fahotana vita. Voamarina izany ao amin'ny tantaran'i Davida izay nangataka ny famindram-pon' Andriamanitra tamin'ny ratsy nataony ary nivalo tamin'ny alalan'ny fifadian-kanina : (Salamo34,13 ary Boky faharoan'ny Mpanjaka12,16).

Ry Jodita sy Estera dia nahazo ny fitahian'Andriamanitra hamelezany ny fahavalon'ny fireneny ary nandresy azy tamin'ny alalan'ny fifadian-kanina(Jodita 8,6 Estera 15,2 ). Hita araka izany fa atao ny fifadian-kanina rehefa hangataka fahasoavana manokana amin'Andriamanitra.

Ao amin'ny Matio 4,2 dia hitantsika i Jesoa mifady hanina efapolo andro sy efapolo alina rahefa hanombola ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

Ireo Kristianina voalohany toy i Paoly sy Barnabe ihany koa dia nivavaka sy nifady hanina vao nanendry pretra.

Araka ireo ny tenin'Andriamanitra dia fitaovana mahomby tokoa ny fifadian-kanina. Koa manentana antsika ary hanao izany am-pinoana sy fitiavana isakin'ny Zoma sy ny Zoma Masina.