11/04/2009

"Ary raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy, dia foana ny finoanareo."(1Kor 15, 17)

Io tenin'i Md Paoly io no entinay iarahabana antsika rehetra tratr'izao fetin'ny Paka izao.
Ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty no fototry ny finoana maha kristianina, maneho ny fandresena ny fahafatesana vokatry ny fahotana, indrindra manokatra ho an'ny olombelona ny hafenoan'ny fiainana ao amin'Andriamanidtra. Fotoana lehibe amin'ny maha kristianina noho izany ny Paka. Tsy tokony havela handalo fotsiny fa ibanjinana ny fandresena ilay fahotana efa niara- nalevina tamin'i Kristy. Ny fijaliana sy ny fahafatesana dia tsy tompon'ny teny farany eo amin'ny fiainana maha kristianina fa lalana mampita any amin'ny fiainam-baovao . Ny fiainana ny misterin'ny Paka noho izany dia mandalo fahafatesana amin'ny fahotana mba haha tongavana amin'ilay fahavelomana ao amin'i Kristy.
Koa samia ary miezaka.
Hanjaka ao am-pontsika anie ny fiadanan'i Kristy tafa-tsangan-kovelona

01/04/2009

Andron'ny tanora era-tany 2009


Andriamanitra velona no nametrahanay ny fanantenanay (1Tim4,10)

Io no lohahevitra naroson'ny Papa Ray Masina ho dinihina amin'ny fankalazana ny andron'ny tanora era-tany.
Ivon'ny fiainan'ny olombelona ny fanantenana. Miavaka izany eo amin'ny tanora. Ao amin'ny fahatanorana mantsy no ametrahana ny safidy fototra ho amin'ny fiainana manontolo. Tsy ampy hanorenana ilay fanantenana tadiavin'ny fanahin'ny olombelona anefa ny harena sy ny hatsaran-toetra. Andriamanitra irery no fanantenana marina.
Mahakasika ny taranaka ankehitriny ny sedran'ny fanantenana noho ny fiarahamonina tsy mitombina sy tsy misy soa toavina ianteherana ka toa manery azy hiatrika zavatra mihoatra ny heriny. Noho izany dia mamporisika antsika tanora ny Papa ho iraky ny fitiavan'Andriamanitra afaka hanorina ho avy feno fanantenana ho an'ny olombelona. I Md Paoly dia apôstôly vavolombelon'ny fanantenana ka amin'izao taona natokana hankalazana ny faha 2000 taona nahaterahany izao dia miaraka aminy isika ho tonga vavolombelona azo antoka ho an'ny fanantenana kristianina. Banjino sy antsoy i Masina Maria ilay renin'ny fanantenana, mitarika ny diantsika.